FIANGAVIAKO FARANY (LAVENONA)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FIANGAVIAKO FARANY

Raha toa ka fisarahana
no hany lalan-tokana
hizoran'ny fitiavako
dia izao ny ahy no hafatro
sy teniko manokana
lazaiko anao rahavako

Aza ianao tomany !
Dia... ireo hira notendreko ?
Halaviro an-tsofinao !
Ny hahasoa anao hatrany
no hany zavatra kendreko
eny hahasambatra anao !

Tsy tiako ianao hijaly
sy hiaritra alahelo
na vonton-dranomaso
fa mankarary ny aiko !
Iriako ianao hifaly !
fa ireo tsy tsiambaratelo
sy ny vesatry ny ankaso
avelao zakaiko
sy entiko matory !

Fa ny fiangaviako farany ?
Tiako ianao hijery
ny nofo mangatsikako
rehefa an-tanindrazana !
Ary koa mba mampahery
ilay reniko tsy ho hitako
raha voalevina ny razana !

Dia eo andoha-pasako ?
Ametraho ilay teny
namenao ahy fahiny
taratasy izay nandrasako
namboarinao sy i Neny
Tadidinao moa iny ?
Rehefa vita izay dia...
mahazo ianao mandao
Ilaozy izany fasako !

LAVENONA
--------
Lien:
Catégorie : Alahelo - Fitiavana
77 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0145