TIAVO (LAVENONA)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TIAVO...Tsy sanatria akory hoe ny anilanao no lanitra
na koa hoe paradisany sy toerana iriany !
Fa angaha ianao tompoiny sa ianao no Andriamanitra
ka hifadiany hanina...ary koa hitomaniany ?
Ekena ianao hoe tiany fa...
dieny tsy miova ilay fitiavana ao am-pony
dia mba hajao sy tiavo e!...omeo izay anjarany !
Ndrao efa tara loatra tsy hahita azy intsony
vao latsa-panenenana hiantso ny anarany !
Ny teniko eto farany...!
Tsarovy hoe noho ianao ilay nanaovam-panekena...
no antony niharetany sy mbola nihafiany ka...
misaora ianao ny Tompo fa tsy mba namono tena...
na nitady fahafatesana iny zanak'olona iny...
fa nitia hatrany hatrany !
Lavenona
03/07/24
--------
Lien:
Catégorie :
Fitiavana
