ho an'i dada (Mahay)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Dada ô ! na de heverin'olona ho adino ianao matetika de laviko ankitsirano ity hevitra sy fihetsika
fa vao mianatra miteny eny mandrakizay doria
de tsaroana ianao ry dada ; tsy hadino sanatria
Manak'ambo ery ny zaza raha miresaka amin'ny namana
mitantara an'i dada ; mangasihasy ny tsy manana
"dadanay an ! ra miteny, avo feo, mitrerotrerona
fa refa manambitamby ! maharenoka am-pitoerana"
na de tsy voatonina isanandro aza ny anaranao ry dada
de voasoratra ao am-po, ka tsaroana lalandava
dada ô ! aza manahy fa tena tinay tokoa ianao
tsy voasolo n'iza n'iza ny anjara toeranao
dada ô! dada tia sady tiana ! aza manana ahiahy
fa ho tsaroanay an-tsaina ; ao am-po sy am-panahy
ka izao fetin'ny ray izao tsy adino velively
fa mahazo fanomezana ary etsy ataonay mamikely
--------
Lien:
Catégorie :
Fitiavana
Fans:
lantoandryeric
Commentaires
nyrsi
(
16/06/2006 16:01)
Tsara ary tena mampahery an'ireo Dada