HAFATRA (Hajanirina Mahavaly)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Amin'izao faran'ny taona izao
Indro aho mitodika aminao
Ianao ilay namako hatrizay
Anio,ampisto ary ho mandrakizay

Raha nisy tsy nety nataoko taminao
Mifona re aho , mivalo, mitalaho
Olombelona ihany moa ny tena
Ka tsy maintsy misy fahalemena

Fotoana mety izao,hifamelana heloka
Hanesorana ny fahavinirana sy ny fo lentika
Ndao isika hifampiantra sy hifamela
Ka hifankatia amin'ny andro sisa tavela

Izany no hafatra tiako ambara
Ka eritrereto sy diniho tsara
Samia ho tahin'Andriamanitra
Ka samy hatratra ilay asaramanitra.

Hajanirina Mahavaly ( 31/12/18 à 09h00)
--------
Rohy:
787 1
Mpakafy: Adalako
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Hajanirina Mahavaly
Nampiditra : MHJB
Daty : 31/12/2019 05:43
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141