TANORA SY NY FITIAVANAI (Hajanirina Mahavaly)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TANORA SY NY FITIAVANA

Inona no misy amin'izao fotoana izao
Manal'azy fotsiny fa tsy misy hatao
Aleo manao sipa ho fialam-boly
Toy izay mamaky ny Baiboly

Dia lasa izao, handeha hanao fitiavana
Ny fomban'ny mpivady no natao andrakandrana
Tsy mijanona amin'ny sipa iray fa hatao maromaro
Ny tsy hainy anefa fa mampiditra angano

Miaraka amin'olona efa manambady
Nahazoazo taona sy efa zatra ady
Ny fitiavam-bola angamba no manesika
Ka amboamboarina hatramin'ny fihetsika

Fahadisoam-panantenana ve
No mahatonga ilay Fitia
Sa miseho ho olon-dehibe
Ka sahy milaza ho mahay mitia

Mora tara amin'izay miresaka aminy
Izay mandalo dia miraikitra
Tsapa ho tia vao ihany koa re
Ka manan-tsipa isaky ny toerana aleha

Tsarovy anefa ry tanora namana
Fa izany dia manimba fo,saina , vatana
Manimba ny ho avy manontolo
Ka ho zava-poana ny tontolo

Mamotika ny hafa
Manimba fiaraha-monina
Manalabaraka tena
Hany ka te hamono tena

Hajanirina Mahavaly
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
1238 0
Hevitra mandeha
katrynah ( 18/02/2020 15:25)
A zalah tsar rah ity eeee tohizo!! Mifono anatra ho an tanora amni zao fotoana izao
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Hajanirina Mahavaly
Nampiditra : MHJB
Daty : 24/10/2019 08:01
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143