Avelao (Miarantsoa Anicet)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Atopatopan'onjan'ny erika marainaAvezivezin'aloka sy rivotry ny alina
A!...
Sambatra aho !
Saininao mijaly
Kanefa tena faly.
Avelao aho hiloloha ,
Avela aho hivimbina,
Avelao hisakelika ,
Avela hivongika
Avela ...
Avelao aho
Avelao hivongika vongan' alahelo
Avelao hiampofo antontantontan-tsento.
Raha ho tonga ianao....
Fantatro fa tezitra...
Ivimbino aho ....
Ivimbino .
Ivimbino tsiky romotra
Ivimbino maso mena ,
Ivimbino hagaigena,
Ivimbino aho ....
Ivimbino .
Ampio ny fahoriako !
Ô! Ry tiako !
Ry tiako !
Avela aho ho faty!
Avela ho fatin' alahelo
Sy dobodobo-po ary dodododom-po .
A! Ry dodododom-po mandodona tokoa !
Kiaka ny fitiavana
Fa sendra izay fandavana !
Raha toa ianao ka tonga
Dia io efa misonga
Ny varavarantsika .
Ô ry malala feno bika.
Eny !
Misy ianao:
Antsaiko toa tantely
Fa zanak' Anjely.
MIARANTSOA ANICET
--------
Lien:
Commentaires
NyKanto
(
18/11/2004 19:40)
Ny maso jamban'ny fitia
Tsy mba mahita fery
Sy ny jaly izay mamely.
Fa iaretany ireny,
na dia mampirediredy
Hoe sambatra izy raha niteny.
Ny Kanto
Tsy mba mahita fery
Sy ny jaly izay mamely.
Fa iaretany ireny,
na dia mampirediredy
Hoe sambatra izy raha niteny.
Ny Kanto