misy izy ireny (Nat'urel)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Misy izy ireny fitiavana tsara.Lafatra tokoa!
Misy izy ireny fitia kilalao mandratra ny fo
Fa misy izy ireny fitia tara voalohany.
Misosa mora sy mandeha hoazy fa tsy misy ny tohany.
Fa rehefa aty afara lany ny mamy!
Na mafy toa vato aza dia ho rava ihany.
Fa misy ihany koa!
Mody hoe tena soa!
Fa maningotra ny aina!
Sy mahavelo-taraina!
Fa fitaka daholo ny ao ambadika!
Ka mamy ny voalohany fa aveo mitsimbadika!
Misy koa ny mamy ka masarika tsy tanty.
Ka rehefa mihinana kay poizina mahafaty.
....
Toy izany ny eto an-tany
Fandrika mamitaka hatrany.
Ka mitandrema re ianao!
Dinio tsara izay atao.
Sao ho tojo patsa tsy omby vava.
Ka ho fahoriana lalan-dava
Raha diso lalana androany
Ka mba saino ihany.

Mikalo f'tia nat'urel
--------
Lien:
Catégorie : Aingam-panahy
1175 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0147