BOTO FA RESIM-PITIA (Nic Coper Ofisialy)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Boto fa resim-pitia, ilay bandy niseho azy ho degany,Niseo mafy fo isanandro, izay nandalo rehetra imehezany.
Kanjo sendra ny nahay azy, fa vao ka tsy naharay lamba,
Nipapapa nitady ny marina, Vao hoe : "tia" tokoa izany angamba.
Boto fa resim-pitia, ilay hatrizay, toa nandravarava,
Voan’i kala tao ambavafo, ka ankehitrina , nangina ny vava,
Ilay be resaka foana isanandro, toa tsy nahavoaka na litera ray,
Nitodian’i kala indray tompimaso, dia iny fa niondrika tao, dia izay.
Boto fa resim-pitia, ka izao izy ity, lasa be embonembona,
Isa-mihetsika mahatsiaro an’ndry, na i ndry any zay ngamba aky zao mievina.
nobanjiniko ambony , nojereko ambany,
fa raha mbola ahatsarana, tsy nisy ohatr’izany.
Boto fa resim-pitia, na ny mikaoty aza ity , tao tsy sahy,
Fa ny fo manontolo, nidoboka an’ndry, zavatra mbola tsy nisy hatrizay.
Ela ny ela ka resim-behivavy, sady amin’izay tsy takona afenina,
Vao fijerinao fotsiny aho dia manavy, tsy voalazako hatrin’ny tiko ho tenenina.
Boto aho ity saingy resim-pitia, ka iriko raha torak’izay koa i ndry,
Ela ny ela fa izay aho vao tia, ka naniry vehivavy ho antsoina « cherie »
Satriko mafy ilay fontsika roa, mba hitambatra ho iray, ka hifameno,
Ka Ho voady tokoa, ilay ho mandrakizay, raha toa sitrakao ihany koa mba teneno.
Boto aho ity saingy resim-pitia, fa tsy sangisangy na koa anihany,
Fa vonona hanolotra peratra ho an’ndry, sy hanao ireo fomba, na tonga dia androany,
Angataka an’ndry amin’ny dada sy neny, anome tapi-maso, an’dry valilahy,
Ka hireharehako eny rehetra eny, fa i ndry ilay safidy voatokana ho ahy.
Ka izaho ilay Boto saingy resim-pitia, no maniry an’ndry ho renin’ny zanako,
Ka tsy ho avy amin’ny hafa, fa ho avy amin’ndry, no hanitarako maro, ny foto-taranako,
Tsy vava te ahazo, na hoe doka fotsiny, fa tena boto aho ity, saingy babo amin’ndry,
Ka toky ny omeko, fa raha miaraka isika, dia tsy ho rava intsony, fa tena ho doria.
--------
Lien:
Catégorie :
Aingam-panahy
