MANJA NY GASY (Nic Coper Ofisialy)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tena manja ny gasy, ary manja tokoa,
Tsy vao Ankehitriny, fa efa atramin’ny taloha.
Niangarana mihintsy, raha samy Olombelona,
Ary maro ireo hafa, no vavlombelona.

Dia Manaiky tokoa , raha mbola vahiny,
Fa manja ny gasy, ary tsy hita izay tsiny.
Mahay miainjaika, ary mahay mihaingo,
Maha lasa vinany, mampametra-baraingo.

Tsara foto-piaviana ve? sa aoana?
Fa izay tojo azy ireo, toa miroboka foana,
fa Mahay mifandray, sy mifanerasera,
Hany Miavaka loatra, ka mendrika dera.

Tsara ra gasy, ka mendrika hobina,
Fa Mahay mifanampy, mifankatia , mahavariana,
Mahay miray hina, no sady tsy mifanary,
Ny foto-tsakafo, rahateo koa moa vary.

Zany no gasy, raha tinao ho fantatra,
Tsy mba tantara, na koa ankamantatra,
Tsy ambo ihany koa, na hoe lokaloka,
Fa tena tsara ny gasy, ka mendrika doka.
--------
Lien:
Catégorie : Ahy - Aingam-panahy
237 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0902