TOBIN-TSARETY RIRININA (Niry-Solosoa)
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TOBIN-TSARETY RIRININAFa ny tsy fisiana mahalava tongotra
Reraka ny vatana efa miombotrombotra,
Manjono hafanàna eo amoron'afo,
Lavitra malala tsy hita hanafosafo...
Na alina ririnina, na oram-pahavaratra
Mangintsy dia mangintsy manerana an'Ankaratra...
Ny alin'ny ririnina itobian-tsarety
Korana,hirahira,moa va tsy toy ny fety?
Tantara valamaty,resaka hatavezina
no analàna ny alina raha indray fehezina.
Rehefa afa-diana
mamonjy fatoriana
anatin'ny sarety
feno sy efa ety
anelanelan-gony
kanefa tsy nahoany;
Tsy hitahita akory
indro reno-tory
anaty rotsirotsy
manonofy hoe: mamihina an-dRafotsy!
NIRY-SOLOSOA
14.03.06
--------
Lien:
Commentaires
ledada
(
12/12/2006 10:33)
D refa tafaverina any an-tanàna dia tanterahina ilay oe "ary manonofy, mamihina an-drafotsy", d mitombo 1 njay ny isan'ny zaza teraka. 691: 6 minitra fahafinaretana, 9 volana mitondra vohoka ary miampy1 ny imbécile eo ambony latabatra! hahahha!
ny any ambanivohitsa koa refa tsis jirop sy ts mandry fahalemana d idina mialoha b ny trano. d lasa ts sazoka ny firaisana ara-nofon'ny mpivadyu
ny any ambanivohitsa koa refa tsis jirop sy ts mandry fahalemana d idina mialoha b ny trano. d lasa ts sazoka ny firaisana ara-nofon'ny mpivadyu
mimisou
(
13/12/2006 10:30)
marina mihitsy zany, ny fadiranovana ihany no maro anaka, tsy ampy fialam-boly dia ny mankany no analana andro