Fisarahana (Nisainana RAFETRARIVO)

Lu par ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Iny ianao tsy hita, lasa tsy nifampihaino
Nidify sy niserana,
Toa lasa nanam-pahataperana

Fitia nokoloina, taona maro izay;
Levona sy potika,
Nodorana ho kila sy may

Dia ireo ny zanatsika, tsy hitany izay aleha
Sanganehana sy sadasada
Hoe ho any amin'ny mama sa ho any amin'ny Dada

Fitia tsy nisy fitaka, no nomeko hatramin'izay
Efa Leo ve ianao sa te hisintaka
No nandao sy nifamitaka.

#Nisainana#2024 n1 #Fiarahamonina
--------
Lien:
168 1
Fans: NISAINANA
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Nisainana RAFETRARIVO
Inséré par : NISAINANA
Date : 16/02/2024 13:04
Lectures
Lu par ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142