I Z Y (Nisainana RAFETRARIVO)

Nantsain'i hery
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Modiako mitsiky dia mba tsy fantatra
Tsy asiako soritra hita aty ivelany
Hifaliako na mbola akamantatra
Ny ratra...izay navelany


Hisentoako kely fa vizana sy ketraka
Tsy atao kivy sanatria
Fa mbola vonona hiezaka
Hiandrandra ilay fitia

Tsy ho tsaroiko ireo tsiaro ratsy
Izay niarahana taminao
Ilay naranitra toa antsy
Ka nampizara antsika sy ianao

Ho antenaiko na mbola tsy hay
Ny ampitso iriko hamiratra
Ny lesoka hatao maha fay
Ho lesona tsara hanitatra

Nisainana RAFETRARIVO
Jeudi-23-Mars-2023
--------
Rohy:
479 1
Mpakafy: NISAINANA
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Nisainana RAFETRARIVO
Nampiditra : NISAINANA
Daty : 23/03/2023 00:57
Antsantononkalo
Nantsain'i hery
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144