ASA SORATRO HO ANAO (njafah)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ASA SORATRO HO ANAO

Hosoratako ho anao ity tonkalo ity
Ianao ilay olona nandao tsy nanaja ny fitia
Fa dia lasa tsy mba niera maika fatratra aok’izany
Toa tsy hitanao akory ity foko ory sy tomany

Hosoratako eto koa ireo zava-maro niarahana
Lay andro voalohany izay niraisantsika làlana
Ka nahatonga anao ho babo nitory tsy nisalasala
Tsy mba vahotra ity vava fa dia niantso hoe malala

Hosoratako ihany koa ny fifaliana niarahana
Oroka sy teny mamy tao anaty fahasambarana
Tsy mahandry ny ampitso mba hiaona indray
Satria tamin’izany mantsy fitiavana namaivay

Dia hosoratako eto koa ny adiady niainantsika
Mitamberina ato antsaiko izaho nandeha nitsorika
Niantsoantso mafy ianao avia aty aza mandao
Ka niombona indray niverina ilay fanao

Ny hany farany hosoratako ny eritreritro manembona
Lay fitiava-nandrandraiko tsy eo intsony fa dia levona
Soa fa nisy taratasy mba nanehoko vetsovetso
Ahafahako hanadino ity fitiavana maneso.


NJAFAH ( 09 déc.06 )
--------
Rohy:
1337 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : njafah
Nampiditra : njafah
Daty : 17/03/2007 08:51
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0097