NAMAKO (njafah)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NAMAKO
Tsy ho aritro intsony ny tsy hanoratra ho anareo
Namana rahavavy mpiaraka manandrapeo
Tao anaty taona maro nahitana fifaliana
Sy ny adiady kely nanaingo ny fisiana

Satry foana hifanena hiaraka hikakakaka
Ka hampiseho hatrany fa antsika anie ny laka
Amin`izato feo miredondredona aok`izany
Mamitodika ny maro toy ny anjely tsy eto an-tany

Misaotra an`Andriamanitra aho fa teo hatrany ianareo
Ka nahatonga ahy mahery tsy mba hanana toreo
Tsy mba votsitra mihintsy amin`izato iray vilia
Satria ianareo rehetra dia nampiseho fa tena tia

Nifampivavaka isan`andro tsy mba nisy nety leo
Dia niaraka nifaly nikorana nony avy eo
Nifanoro nifananatra nifanatsafa ihany koa
ka misy ireo tsy mahatanty mahatsiaro tena ho voa

Ka enga anie isika izao ho velona ka ho mafy
Ka tsy hisy hifanadino na dia misy any andafy
Eny na dia sanatria hoe misy iray maty
Dia hitana hatrany hatrany ny fitiavana ao anaty

Njafah
--------
Rohy:
1276 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : njafah
Nampiditra : njafah
Daty : 22/02/2007 15:14
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0125