NY MITSIKY (Njakahery ANDRIAMALALA)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY MITSIKY

Hafaliana any ho any,
Ny mitsiky dia faly,
Mety koa manarona tomany,
Sy ireo ketokin'ny jaly

Ny tsiky dia milaza teny,
Hafaliana izy ireny,
Fa ny mitsiky koa ombieny,
Zary fanakonam-pery

Fa ny mitsiky tena izy,
Izay tena avy ao am-po,
Maneho irony zava-misy,
Sy ny hafaliana tokoa.

Njakahery ANDRIAMALALA
24 Août 2026
--------
Lien:
Catégorie : Fiainana - Fiainana
117 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0123