NY MITSIKY (Njakahery ANDRIAMALALA)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY MITSIKY Hafaliana any ho any,
Ny mitsiky dia faly,
Indray indray manarona tomany,
Sy ireo ketokin'ny jaly
Ny tsiky dia milaza teny,
Hafaliana izy ireny,
Fa ny mitsiky koa ombieny,
Zary fanakonam-pery
Fa ny mitsiky tena izy,
Izay tena avy ao am-po,
Maneho irony zava-misy,
Sy ny hafaliana tokoa.
Njakahery ANDRIAMALALA
24 Août 2026
--------
Lien:
Catégorie :
Fiainana
