TSIKY INDRAY MITSIKY! (nofinofin'ny saina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsiky indray mitsiky no natsikiny ho ahy
Nisinda ny toloko, afaka ny jaly, faly ilay fahahy.
Ny rahona nisava ny lanitra aza manga
Noho ilay tsiky indray mitsiky angamba.


Tsiky indray mitsiky, kanefa tsiky tsy hay adinoana
Nitondra hasambarana, nitondra fifaliana ny fon'ireo voadona.
Tapaka ny zaitra, nikombina ny ratra ka indro tonga fery
Noho ilay tsiky indray mitsiky ny fitsikinao irery.


Tsiky indray mitsiky ilay tsikinao iny, fa tsiky indray mitselatra
Ny voninkazo izay nikombina aza, nanjary toa nivelatra
Ny alina mikitroka, feno raho-mainty, indro rako-kintana
Ny foko izay nisaraka indro fa nakombin'ilay tsiky mam-pivitrana.


Tsiky indray mitsiky ilay tsikiny iny, fa tonga fanafody
Izay lalovany aza niverina indray, nefa saika hody
Satriko hijanona hanovo fahasambarana na dia sengondra vitsy
Fa ilay tsiky indray mitsikiny iny no tonga tsikitsiky!

NOFINOFIN'NY SAINA
--------
Rohy:
1548 1
Hevitra mandeha
tojoninofy ( 18/06/2015 06:54)
Atolotra ho an'izay tezi-dava sy tsy misy tsiky rehetra na iza na iza sy mitady tsiky aty tsy vidina fa zaraina fotsiny ze haka e! atsoy aho dia homeko tsiky ianao indrindra fa izay rehetr resiny fiainana sy mora kivy fa zà manana tsindrona "zà tsy kivy" sy "comprime" tsy kivy maro ihany koa!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : nofinofin'ny saina
Nampiditra : tojoninofy
Daty : 18/06/2015 06:42
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0106