ZANDRIKELY! (nofinofin'ny saina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tena mafy lesy zandry izany fiainana eto an-tany,
Kanefa zandry kely zandry aza kivy ambony ihany
Tena fantatro ry zandry fa miady mafy ialahy,
Kanefa zandrikely mahereza mitraka


Ny fihafiana tsy miato izay hitako isanandro,
Rehefa iny ialahy ry zandry mba manonkona nahandro
Toa zara raha mihinana tsy mba hitan'ny aina akory
Miafy anefa ialahy fa dia zanaky ny ory.

Tena ontsa lesy zandry, ny foko raha nahita,
'Lay ialahy naharary nodarofan'ny hatsika
Toa zara raha mitafy ity rovo-bodifotsy
Tamin'io ialahy angamba dia natory nandrifotsy.

Izato trano bongo kely, voadidim-pihafiana
Miarak'ory am'lahy am'zato tsy fisiana,
Ireo fitafy vitsivitsy am'zato lotolotony
Nandosiran'ny savony ka nivadika ny lokony.


Niady mafy anefa ialahy toa tsy sahy mba nitaraina,
Manantena mbola hisy 'lay masoandron'ny maraina
Indro soramandry kely no mba eo an-doha fandriana
"Ny fahoriako eto anio, raham-pitso ho fifaliana"


Ranomasoko nilatsaka, tsy mba sahy nitraka akory
fa isiska roa lahy saly zanaky ny ory,
kanefa zandrikely aza kivy mahereza
Fa ny tolotsika eto mbola lavitra mideza.


Zandrikely mitraka, itafio ny fihafiana
Fa raham-pintso lesy io mbola hody fifaliana,
Mijoro hatrany hatrany, hiakanjoy ny fahantrana
Fa ny hirifiry anio, raham-pitso ho hafanana.


Aleo hipetraka ny piniko, fa ranomaso no androratako
Ka ny ngidim-pahatrana no vao maika hanandratako.
Hhodradraiko eto anio ho an'ialahy ry zandrikely
Ny mangidintsika anio, raham-pitso dia tantely.


Zandrikely mitraka dia mbanjino ny ho avy,
Aza kivy miandrandra, aza ketraka mitady
Fa raha lavo anio ialahy noho ny ady mifanesy,
Ny mivavaka aza adino fa raham-pitso mbola handresy.


Zandrikely aok'izay! aza adino ny mivavaka
Fa ny andriamanintsika ory tsy mahay manavakavaka,
Tsy mamela antsika irery fa mijery eny foana
Ny ririnintsika anio, rahampitso ho lohataona.
Mahereza zandrikely!


Nofinofin'ny saina
--------
Rohy:
1454 1
Hevitra mandeha
tojoninofy ( 16/06/2015 15:25)
atolotro ho an'i z'andrygasy
z'andrygasy ( 16/06/2015 17:50)
Misaotra lahy
Derakely ( 20/12/2015 10:01)
Mankasitraka e!
tojoninofy ( 21/12/2015 13:38)
marin'zany rangah a!!!
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0099