Hafa kely (Nosy Malala)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Hafa kely,

Zava-misy hafa kely no tantaraina,
mahafinaritra, mahatonga saina,
Raimpianakaviana, manantalenta,
Manasa trano, mandray koveta.

Izato fahaizany manolo salaka,
Izy aloha tena tsy mihafahafa,
Mampandro ankizy, manao lakozia,
Mahandro sakafo, mangorom-bilia.

Mazoto tsara izy mandeha miantsena,
Hainy ireo malemy, matsiro amin’ny hena,
Mahafinaritra azy koa ny zaridaina,
Vonona hikolo no masak’ an-tsaina.

Raha misy vahiny izy manao tablie,
Mivezivezy, mandroso mofo, dite,
Raha izy indray no tonga aminao any,
" misy hanampiana ?" hoy izy manontany.

Angaha voatanisa izato talentany,
Mbola kely dia efa voatefy ny toetrany,
Fa na lehibe aza mbola tsy tara,
Ny manampy vehivavy, manova tantara.

Izany sy izany ny fiainan’izy iny,
Raha hitanao, aza manome tsiny,
Ka ny rafozana sy ny zaobavy...
Aza gaga loatra , rehefa mamangy.

Nosy Malala,
Aogositra 2025
--------
Lien:
420 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0125