Hiadana ho finaritra (Nosy Malala)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Hiadana ho finaritra,Mifanaretsaka ny tsy eroa,
Izay mihetsika rehetra araka avokoa.
Fa ny Fanentanana tsy hanao kolikoly,
Zara petadrindrina toa tsisy vokany akory.
Ny haino amanjery dia fifanenjehana,
Bika sy akanjo na alahelo toerana...
Aiza ho aiza ny ady amin’ny kolikoly,
Venteso isan’andro, aoka tsy hatory.
Io no hampandroso, ady voalohany,
Raha miandrandra Firenena tiana ho lohany.
Aiza ho aiza koa no misy mba miady,
Manentana ny ankizy, ho andry sy kiady.
Manampy azy ireny ho tonga rehareha.
Voaantoka fitaovana, sakafo, mpana-be.
Misy ve antoko miroso ho aamin’izany,
Sa samy variana, miady seza hatrany !
Misy ve ny vonona handresy ny tsy fidiny,
Sa hiandry ny hafa hametraka izay didiny.
Ireny ankizy ireny no ho avim-pirenena,
Hifidy izay lalàna, ho tò teny sy ekena.
Izy ireny koa no ho tonga ray sy reny,
Fitaratry ny zaza vao miana-miteny.
Mbola izy ireny no ho polisy na volera,
Ho mpangalatr’omby na ho dokotera,
Ho mpampianatra ny hafa hahaleo- tena,
Ho tonga mpitsara na ho mpanao afera.
Nefa inona moa ny voninahitra sy harena,
Raha tsy mandry fahalelana ny Firenena !
Isika kosa maika lava hiady hevitra,
Indraindray entin’ny fo, mora tezitra,
Andao andramana indray, ny asa fa tsy kabary,
Raisina ny andraikitra, sitrano izay marary.
Rehefa mihamaro ny toe-tsaina miova,
Hanompo vahoaka, vonona hampandova,
Dia hanara-dia tsikelikely, ireo mbola variana,
Na tsy miasa tsara, manao fanahiniana.
Samy ho tonga saina fa hay mahafinaritra,
Ny miara tafita, samy hiadana ho finaritra.
Nosy Malala
Aogositra 2026
--------
Lien:
Catégorie :
Tanindrazana - Embona - Ahy - Fiaraha-monina - Fananarana - Eritreritra mandalo - Fiainana - Aingam-panahy - Fitiavana
