Ho Jiro manazava (Nosy Malala)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ho jiro manazava,

Tezitra ianao nahita olon-tsy fantatra,
Nihira an-tsary, toa tsy tonga-lafatra,
Kinga ery ianao, namaly avy hatrany,
Nitsara, nihomehy ary nanambany.

Iny indray enao fa nahita tanora,
Namaly diso nefa, fanontaniana mora,
Dia nisekoseko nametraka tsikera :
Teny toa mandratra, toa hampianjera.

Raha tena mahay tsy aleo ve mampianatra,
Ireo olona maro tsy afaka mianatra,
Mankahery ny hafa, hiezaka hatrany,
Ho jiro manazava ny aizina eto antany.

Nosy Malala
Jolay 2025
--------
Lien:
425 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0158