Ho Tonga olombaovao, (Nosy Malala)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ho Tonga olombaovao,

Voafatotra aho ry Ray,
Tia mandainga hatrizay,
Tia kely, mpanararaotra,
Vonjeo fa tsy afa-manoatra.

Voafatotra aho ry Ray,
Tsy resiko ny mandrairay,
Tia mifosafosa koa,
Vonjeo aho ry Ray tsitoha.

Voafatotra aho ry Ray,
Afaho, tsy ho mandrakizay,
Ny fitsiriritana ato anatiko,
Ny fialonana nafafiko.

Voafatotra aho ry Ray,
Fa ny faniriako rahatr'izay,
Dia ny hitoetra ao aminao,
Ho tonga olombaovao.

Nosy Malala
Septambra 2024
--------
Lien:
47 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0149