Lera, (Nosy Malala)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Lera,

Mihazakazaka foana ity lera ity,
Hazoniko havanana, hazoniko havia.
Fa tsy Tana mihitsy, matetika tsy miandry.
Ao aoriana foana, no manenjikenjika azy.

Rotoroto sisa, ny ambetiteninao,
Tsisy vahaolana, indraindray mankalao.
Izay tsy vita androany, ezahina rahampitso,
Fa raha Lera indray tsy hanao fotoana  diso.

Nanampahefana ary aho indray alina,
Najaniko aloha, ity lera mahafanina.
Novitaiko daholo ireo asa rehetra.
Lera tsy nihetsika, niandry nanjoretra.

Falifaly ery,... Kanjo  nofy ihany ilay izy,
Vao nihiratra ny maso, efa betsaka ny adidy.
Dia niomana hanenjika, an'i Lera indray,
Raha miveravera dia ataony mahamay.

Nosy Malala
Desambra 2021
--------
Rohy:
337 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0108