Manomboka amin'ny farany (Nosy Malala)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Manomboka amin'ny farany,

Natombony avy amin'ny farany,
Ny fiainany sy ny tantarany ,
Ka tsy natao mahagaga,
Raha toa izy ka olomanga.

Nanana tanjona iray,
Mendrika anatrehan'ny Ray,
Tarigetra izay notsimbinina,
Fahamarinana, Fahamarinana.

Amin'ilay andro tokana,
Zay hamintinana manokana,
Ny lalana izay notetezina,
Ny tsara natao no fehezina.

Ka ireo izay mitsinjo ny farany,
Dia izay no izoran'ny lalany...
Mametraka soa tsy mba lò,
Tsy mitsahatra mamafy soa.

Nosy Malala
Jolay 2023
--------
Lien:
367 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0147