Moramanana (Nosy Malala)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Moramanana,

"Moramanana" dia tsy anarana ihany,
Fa toetra ihany koa ananana eto an-tany.
́’lay maka moramora ny tsy an’ny tena,
Na tany na akoho na karazana harena.

Maka mora fotsiny, ny fananan’ny hafa,
Heverina fa zò, mandrapaka dia lasa.
Tsy mihafahafa, mihevitra fa tompony,
nefa tsy azy akory fa izy no sarotiny.

Eny fa na vady, vita mariazy aza,
misy maka mora, ny ray na renin-jaza .
Misekoseko erỳ fa hoe nahazaka.
Tsy nitsinjo akory ny tokantranon’ny hafa.

Ny Ain’ny hafa koa dia misy maka mora,
Minomino foana sa babon’ny vola ?
No rendrika tanteraka, mivarotra fanahy,
Zatra mora-manana ka diso mahasahy.

Nosy Malala,
Aogositra 2026
--------
Rohy:
149 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0118