Mpanoratra sy ny tononkalony (Nosy Malala)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mpanoratra sy ny tonkalony, .

Lasa saina ity mpanoratra,
Mandinika ny soratanany,
Maro ireo voasoratra,
Fa samy manana ny anjarany :

" Hafa kely ity iray ity,
Mipetsompetsona ery,
Vatambatana izany,
Nefa mbola Tiako ihany.

Ary ise ito, toa mandringa,
Ny gadona toa tsy mirindra,
Aiza izany tena lafatra....
Nefa mbola Tiako fatratra.

Ity 'ray ity indray toa diary,
Mpitahiry zavaboahary.
Tsy afoina na ariana,
Tantara, lova, mahasondrina".

Ny mpanoratra sy ny tononkalo,
Dia tahaka ny mananjanaka maro,
Matetika izy ireo, samy hafa toetra,
Fa tiana daholo, ary  tsy misy fetra.

Nosy Malala
Novambra 2022
--------
Rohy:
385 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.011