Samy Filoha, (Nosy Malala)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Samy Filoha,

Maro ireo Filoha izay mahavita tokoa,
Mikaroka foana ny hanao asa soa,
Ny malalatanana manampy azy koa,
Sady tsy fanjonoana toy ny etsy sy eroa.
Mandinika ny ho avy, mampiasa loha,
Ireo asa atao, asiana tatitra avokoa.
Ny mpiara miasa , manana ambom-po...
Miara miady ho amin'ny fananan-jo.
Tsy Iza izy ireo fa filoham-pikambanana,
Mitsinjo sy miahy an'ireo zay tsy manana.

Misy koa Filoha tena mahatoky tena,
Isan'ny tanjony, ny fiakaran'ny toekarena,
Ekipa Tsara traikefa, mendrika,tsy terena,
Tsy mila dera, vokatra hita no ifampijerena.
Arovany mafy ny Fiandrianampirenena,
Izay manao adalàna, nofy ny hoe, ho ekena,
Veloma avy hatrany fa tsisy hoe namako ialahy.
Ny fandraisana fepetra, ilaina matotra sy sahy.
Voatsinjara mazava ireo fahefana.
Tsy olona iray no miseho tompotanàna.

Ny hafa indray tsy mahafantatra ny tena andraikiny,
Tia voninahitra, faly amin'ny fianjakany,
Reo manodidina, mpanatanteraka ny baikony,
Hatramin'ny mpiaro lalàna, misy voabaikony...
Mahazo tombotsoa ireo olona akaikiny,
Na potika ny Firenena toa tsisy fiatraikany,
rehefa afa-po izy ireo amin’ny haingony...
Mahavariana ny mihaino ny laingany.
Izy ireo angamba Ilay diso safidy,
Faly mahazo seza, mampitombo kirizy...

Tonga daholo avy eo ny mpanararaotra,
Ireo simba, oviana no ho voamboatra ?
Feno dia feno ny "kapoakam-bahoaka",
Ny siny atsakana efa misy laodaoka,
Ny fandriapahalemana mampatahotr' hivoaka ,
Ny sarampianarana maha-voaroaka,
Mihavery ireo zo, aiza moa no hitsoaka ?
Masina ny Firenena , tsy entina kitoatoa.
Hafatra kely ho an'izay maniry ho Filoha,
Raha toa ka tsy vita ny mitondra Firenena,
Ny filohampikambanana mety zakan'ny tsena...

Nosy Malala
Desambra 2023
--------
Lien:
703 1
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0118