Tehaka mirefodrefotra (Nosy Malala)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tehaka mirefodrefotra,

Tehaka fotsiny aloha,
Mankasitra sy mankato,
Mpitondra hoe mahafatrapo,
Lolohavina antampon'ny loha.

Tehaka manarak'indray,
Manohana mandrakizay,
Ny zava-misy mampikolay,
Tehaka foana no avalinay.

Tehaka fampisehoana,
Aseho ho hitan'ny ona,
Matanjaka, tsisy mandona,
Amin'ny tany mora anjonoana.

Tehaka fotsiny aloha,
Mampifalifaly ny fò,
Tsy asiana fiasandoha,
Ny Firenena amin'io tena voa...

Reo hafa manao soa etsy sy eroa,
Mampiasa saina, mamaky rondoha.
Tsy miandry tehaka ho valisoa,
Reo marefo mahazo tombotsoa.

Ka tehaka mirefodrefotra,
Ho an'ireo miasa nefa mandefitra,
Mikatsaka, mandefa eritreritra,
Hialana amin'ny tany efitra..

Nosy Malala,
Jolay 2023
--------
Lien:
594 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.021