Tony sy Mora tezitra (Nosy Malala)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mora tezitra :Tsy azoko mihitsy no mahatony an’i Tony,
Efa hita fa mpitondra mpanao kolikoly.
Mahit’ahy ireo androany, za tsy manaiky,
Mbay tany ry Tony a, aza manakaikikaiky.
Tony :
Mora tezitra koa dia miakatrakatra foana,
Ataovy moa fa ho antitra alohan’ny taona.
́ngaha hoe mankasitraka raha mangina,
Indraindray mandinika ampitoniana.
Mora tezitra :
Ssssh mandreraka ahy na ny mijery anao,
Ny ahy izay tiako , mila vita, izao dia izao.
Rehefa tsy hanaraka izay baiko nomeko,
Dia alaiko baraka tsy ananako sento.
Tony :
Hafatra kely ity, alohan’ izaho hisitaka,
Io hatezerana io, matetika mamitaka,
Tsy vahaolana mihitsy ny raha matahora,
Tony mandinika aloha, fa ndrao bala rora.
Nosy Malala
Oktobra 2025
--------
Rohy:
Sokajy :
Fisarahana - Tanindrazana - Embona - Ahy - Fiaraha-monina - Fananarana - Eritreritra mandalo - Fiainana - Aingam-panahy
