Ady amin'ny tsolotra (Nosy Malala)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ady amin'ny kolikoly,

Izay taona maro niainana izay,
Nanjakan'ny kolikoly mamaivay.
Tia tanindrazana eo amin'ny molotra,
Fa maika sy kinga raha hanao tsolotra.

Ao antsaina ao dia tsy sarotra mihitsy,
Ny ady amin'ny risoriso, mandeha lalana mahitsy.
Mandray andraikitra ve ireo manapahefana,
Mbola mandifotra ny kolikoly eto antanana.

Mandrora mitsilany ny fanaovana izany,
Ny firenena efa isan'ny farany eran-tany.
Mety hanam- bola , ny fianakaviana ho falifaly,
Fa ny taranaka any aoriana... tena hijalijaly.

Tsy Ilàna vola be ny fialàna amin'ny risoriso,
Ilay natao androany, tsy atao intsony rahampitso.
Izay manao kolikoly, aleo ho hitambahoaka,
Dia ho tapi-dalàna ihany izay mpanararaotra.

Raha miray hina isika tsy manotra intsony,
Na ireo toerana ambany na toerana ambony.
Fadiana ilay hoe, izay mandoa vola no alaina....
Raha mifaninana, izay voalohany ihany no tsongaina.

Miezaka sy miara mientana dia ho fantatra ihany,
Ireo mpaka antsokosoko harena ankibon'ny tany....
Tapi-dalana eo, fa ny Malagasy tsy ho azo intsony amin'izany.
Satria Izaho sy Ianao tsy nandrora nitsilany.

Ô ry Malagasy tia tanindrazana,
Ialao ny kolikoly, fa tena mazana !
Zaraina tsy misy takalony ny fahaizana miasa.
Na kely aza ny karama, ny kolikoly tena tsy lasa !

Nosy Malala
Jolay 2021
--------
Rohy:
573 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0146