Voandalan'i Neny (Nosy Malala)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Voandalan'i Neny,

Sombiniaiko ô, andraso kely,
Ity misy mofo namboarin'i Neny,
Afak'omaly no nataoko izy ity,
Natokako tato fa hoe ho avy ndry.

Ity misy akanjo tany amin'ny mpivarotra,
Ohatra-tsara amindry, afak'asiana satroka,
Nitady ihany aho fa tsy nahita lehibe,
Ohatr'izay za mba mampitovy am(in)'se.

Asa ity sakay ity raha tian'i Lita,
Ravinanto mantsy tsy mila vidina vita,
Tsisy fotoana nanamboarana aho tandroany,
Ity no efa tao, ao mba ento any ihany.

Andraso haka harona asiana azy ireto.
Saika adino ny ravintsara evohina ry reto,
Ao antokontany koa vokatra ny saosety,
Raha tia inareo angalako vetivety...

Tandremo Ary sao misy entana adino,
Lehibe ireto ankizy, tena tsy mampino.
Mampamangy any amin'i Lita vinanto.
Aza miandry ela an , mandalova ato ato.

Nosy Malala
Aprily 2024
--------
Lien:
143 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0159