VOTSAVAVA FA MIASA (Nosy Malala)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
VOTSAVAVA FA MIASA,Ny ahafantarako azy iny, dia olon-kendry,
Olompirenena miasa satria voatendry,
Tsy malaza firy satria tsy mpisolelaka,
Izay asa ataony kosa dia tafapetrapetraka.
Tsy mpanao politika fa azo hitokisana,
Traikefa ny azy fa tsy anjara na vintana,
Sanatria azy, ny hangatak'hiady seza,
Toy ilay rainy ihany, ny asa vita ro mateza.
Raha niatrika mpanao gazety, namaly fanontaniana,
Niezaka nanentana ho amin’ny firaisankina,
Niezaka namily ilay resaka politika,
Satria hiara mahalala fa hiteraka dohika...
F’Ilay teny toy ny atody, foy nanan’elatra,
Vetivety niparitaka, nandrivorivo toa fetaka.
Ilay teny tsy tongalafatra, indray mandeha iny,
Nanjary resa-be sy nanomezan-tsiny.
Ireo entin’ny fo nirongatra avy hatrany,
Ireo mihevitra mahay, malaky nanambany.
Aleon’izy ireny olona mahay miresaka,
Mivarotra ampitsanganana no omena tehaka.
Noezahana nahitsy ilay tsy fifazahoana,
Fa aleon’ny hafa, mijanona amin’ny hadisoana.
Eo ilay ilaina herim-po hanatontosa,
Ireo tanjona tratrarina, "fanasana ireo osa".
Aleoko ny ahy manohana, ireny votsa vava ireny,
Olona mendrika, miasa tsy ankiteniteny,
Toy izay ny mpitazana malaky mitsara,
Ilay indro kely iny, no avadibadika ho tantara.
Nosy Malala
Mey 2026
--------
Lien:
Catégorie :
Tanindrazana - Fahatsiarovana - Fiaraha-monina - Fananarana - Eritreritra mandalo - Fiainana - Aingam-panahy - Fitiavana
