Zanaka-gasy no zana-bazaha (Nosy Malala)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Zanaka-gasy no zana-bazaha

Ambony posety no rotsirotsina,
Omena tetina mba ho variana,
Iray volana hono dia tsy mitomany,
Manao aliny feno, nahagaga ihany.

Aleony, hono paty, toy izay vary gasy,
Ny anaran’ny kaopy lazainy fa tasy.
Inona hono ity vary sosoa...
"Angaha fihinana ny lohan’akoho ?"

Mbola gara-bola izy dia hoe raiki-pitia,
Ireo raiamandreny finaritra ery,
Mianatra milomano, omena diplaoma,
Manasa namana rehefa tsingeri-taona.

Ireo teny gasy hainy dia nampianariny,
Noreharehany tamin’ireo namany.
"misy tomibila" hain’ny namany tsara,
Fitenindreniny, sao hoe voadonan’ny fiara.

Zanaka gasy no zana-bazaha,
Raha miarahaba dia miteny hoe "ça va?"
Mazàna izy ireo tia tanindrazana,
Ny teny, sy kanto ianarany miadana.

Nosy Malala
Mey 2026
--------
Lien:
186 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0263