ITO SORATO ITO (Ny Afy)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ito soratro ito
ahafahanao mamantatra,
ny fombafomba fiainako,
ahafanao manakatra
ny fototra fisainako

Ito soratro ito
intony aminay ,
natao hamerovero,
'nefa koa indraindray;
mety hampalahelo

Ito soratro ito
nomeko hoanao,
vakiana vetivety,
'nefa dia natao
hanitsy ireo tsy mety.

Ito soratro ito,
iriko mba ahoraka
hihanaka any ho any,
ny kely zay voasoratro,
halaza eran_tany.

kanefa raha be diso,
matroka sy maizina,
ito soratro ito
dia mendrika ho faizina ,
tonga dia rovito.

NY AFY, t@ 22_06_17
--------
Lien:
Catégorie : Aingam-panahy
764 1
Fans: miangaly3
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143