Fanjava faharoa (Ny Ala Zohimbato)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy fantatro intsony raha mitady ilay sampanana,
na varavarankely misokatra makaiza,
rivotra mitsoka mety hanary ny fananana
izay naorina hatry ny ela, mitady tsy voataiza

Izy ihany anefa ity, no lalako hatr’izay,
ny marainako, ny atoandroko, mety tampoka ho lasako
Izy foana aloha hatreto no zary naharay
Ny fitiavako miavosa ilay 'ty sy 'nday

ilay nofy tsy mangataka alalana vao tonga
No indro fa miserana, mandalo tsy nampoizina
Ilay tsiky etsy andaniny, toa zary miavosa
Ny foko no midoboka, tsy natahotr'ozona


Mety ho ianao ve no dahalo mpakafo
ilay ho avy aorian’ny tantara voaloha…
sa aloky ny faniriana fitsiriritana ihany
Mety ho fahasambarana indray mipik'adalany

Mbola entiko ao anatin’ny fihetsiko ny anarany,
nefa mitoetra efa ela ao an-tsaiko ny endrikao.
Eo anelanelan’ny safidy ny tantarany
Tampoka eo anie mety hisolo vaovao

Ny fo re sa ny saina no mamaritra fitiavana
angamba indraindray izy dia fahaverezan-danja
Fa izao no fantatro, tsy mino ianao raha havana
misy zavatra ao anatiko mitady ilay fanjava

Ny Ala Zohimbato
--------
Rohy:
23 1
Mpakafy: Zohimbato
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0122