Leo nefa dia haninona ? (Ny Ala Zohimbato)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Leo nefa dia haninona ?

Leo nefa dia haninona ?
Tsy misy hery ho entim-miady,
Ka na ho tapaka ary ny tady.
Isika ity toa faizina,
Mipetraka ao anaty haizina.

Leo nefa dia haninona ?
Mifanila amin’ny taolana sy hena,
Tsy afaka ny ekena.
Ny tanindrazam-pahagejana,
Fehezin’ny lalàna,
Ny mpitondra mampandry andrisa,
Ny mahantra miondrika, mitanisa...
Ireo fahoriany.

Leo nefa dia haninona ?
Hifoha tsikelikely ?
Sa hitady ny very ?
Miezaka mivavaka
Mba tsy hivarina an-davaka ?

Ny firenena mihamaina,
Miova karakaina,
Vahoaka analikisa
No any mamisavisa,
Mba hitroatra sy hikiaka,
Toa lazaina fa mivika.

Leo nefa dia haninona ?
Atody hiady amam-bato,
sa hazo hiady amam-by ?
Mijaly isika tsy hiato
Ka tsy afaka miria

Nefa raha tsy misy sahy mijoro.
Ny firenena voatorotoro.
Ny ambo-potsika very
Ka zary misitery
Ny fiainana any aoriana

Ny Ala Zohimbato
--------
Lien:
350 1
Fans: Zohimbato
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0118