Ampidiro aloha ny tenimiafina
Hitsiny? (Ny Ami)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny hitsiny? Anjara tandrify ho an'ny tsirairayLalana voasoritra taloha sy rahatrizay,
Mametraka ny hafa eo amin'ny toerana misy azy,
Manoro ny olom-belona tsy hivarina any an-kady
Manoritra ny fiainana sy manatsarana izany,
Mety hahafaly mety hampitomany.
Tsy misaraka amim-bintana,
Itapisahan'ny anjara,
Mifamingotra amin'ny kintana
mba hiposahan'ny any am-para
Sarotra tadiavina hoan'ny Sarababem-bahoaka
Matetika mivilana ka mety hampitroatra
tsy azo ampitoviana fa samy hafa loko
Miteraka adim-poko
Ny Ami
--------
Lien:
Fans:
NYAMI
