Mialatsiny (Ny Ami)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
mialatsiny!

Firy taona aho niaiana anaty loto
Nisafotaka voatoto
Dia tonga indray ianao ilaza hanova ny tanana
Hitondra fiovana

Lazao izay tena marina f'izahay aza fahanana
F'angaha raha mahantra sy tsy manana
dia hampesonina hifidy
Indray hitondra izay mangidy !

Izaho intsony tsy hanaiky
F'efa leon'ny fahantrana
Leon'ny kobaka any am-bava
Mitaky fiovana

Nefa raha ny hifidy izaho aloha tsy hanefa
Fa raha tena misy ny fitiavana asa aloha alefa e!
Isan'androa ianao manentana miteny tsy miato
Dia tokana ny tenikoIzaho tsy handatsa-bato! hihihi

Isan'andro aho lalovanao,raha nangataka roapolo
Dia anjarako aminin'izao ny miravi-tanam-polo
tsy ilaiko akory ny fandaharanasanao
Fa raha misy vola toy ireny mba omeo izay mitalao

Efa fantatro iny fa tsy hatao na haderadera erikitra aza
Ka avelao aho mba iteny f'aza dia tampenam-bava
Tsy ilaiko akory ny mamaky fa efa aiko ny ao anatin'io
Fa raha misy ho'aho ny fitia io ny variko apio!

Raha fampanantenana no lazaina izaho mba mahay miteny
K'aza dia mifanadala fa fitaka hoy aho ireny
dia mialatsiny aloha zareo a!! fa izaho efa leo mifidy
ny fifidianako anareo no nitondrako izay mangidy

Ny anareo mantsy toa fitadiavan-tseza e!
tsy mitsinjo anay vahoaka fa manilika vereza
rehefa injay mba tafasondrotra dia veloma ry tanana
mikopak'elatra any am-pita mikopaka tsy tana

Ny Ami
--------
Rohy:
2028 2
Mpakafy: napou - NYAMI
Hevitra mandeha
hery ( 13/08/2015 15:19)
Tohizo indray e.
NYAMI ( 14/08/2015 14:42)
misaotra o
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ny Ami
Nampiditra : NYAMI
Daty : 28/07/2015 15:14
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0149