TEO AN-DAVARANGANA ( ALBUM SANGODINA ) Raphaël Spartacus (NY Andri-Fara)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TEO AN-DAVARANGANA

Teo an-davaranganao
No nindramiko mangina .
Namisavisa ny fahiny ;
Namerimberina ny lasa .

Indro tazako manjavozavo
Ilay isika nifanao fotoana,
Teo amoron'ny kamoro...;
Ilay dobokelinao sy teo an-jaridaina .

Takariva somambisamby
Takariva ny diavolana ,
Saingy tamin'izao fotoana izao ;
Takarivam-betsovetso lalina .

Teto an-davaranganao
No namantarako ny lasako .
Ny lasanao fahiny...,
Teo anivon'ny fitiavana .



13.01.03 Raphaël Spartacus
--------
Lien:
Catégorie : Eritreritra mandalo
12 1
Fans: SANAKERIB
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0158