Deraiko ny zanako (ny eja)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
anaka,

tsy omby tratra ny hafaliako
ry sombiniako tena tiako
fa hay ianao no lohalaharana
Deraina tao am-pianarana !

ireo fifohazako maraina
ny vikiviky tsy malaina
vesatry ny tontolo androko
sy ilay fodiana toa tsy andriko

niova loko vaovao
noho ny ezaka ataonao
sambatra aho satria ilay zanako
mampisandratra ny anarako

nosandainao ilay fiafiako
todinao ilay faniriako
o deraiko ianao ry zanako
reharehako ifaharako .

Ny Eja 2005

atolotro manokana an'i Ravaka keliko
--------
Rohy:
Sokajy : fitiavana - rindra - tsara - fitiavana
2889 1
Mpakafy: nyeja
Hevitra mandeha
doum ( 01/08/2005 12:29)
manao aona indray Nyeja,
za nge manaraka fona ny tononkalonao e
vo hitako napetrakao ndray io
tena tsara be
tena tsara
mahafaty2 ery le izy
misaotra eeeeeeeeeee!
nyeja ( 03/08/2005 12:24)
misaotra doum a faly be aho e dia mamakia finaritra an
ny eja namanao
toetra ( 11/11/2005 15:46)
NY ZANAKO

Ny zanako
No hany
Fananako
Eto an-tany !

Na vola,
Na trano, ...
Mahatola
Mahamamo
Dia harena
Mety ritra,
Mitrena,
Mampitsitra.

Ny zanako
No lohan'
Ny taranako
Sy voa
Koloiko,
Satria
Tsy foiko
Fa fitia
Babeko,...
Amaharako,
Nomeko
Ny anarako
Izay lova
Tamin-draiko
Tsy miova
Sy hajaiko.

Moa handatsa
Ny fanahiko
Ny lasa
Raha sahiko
Ny hisaina
Sahady
Tohin'aina
Amin'ny ady
Tsy vita
Omaly
Tsy tafita
Nampijaly ?

Ny zanako
No rohy
Tànako
Hanohy
Ny filamatra.

"Mitafy
Sy mianatra
Tsy miafy
Va izy ?

Mahay ampinga
Vao ankizy
Ary kinga
Raha miteny ?"

Adidiko
Ireny !
Ny safidiko :
Na tsara
Na tsy soa
Dia tantara
Vao miandoha !

Toetra RAJA
29 Desambra 2003
nyeja ( 12/11/2005 06:09)
misaotra betsaka ry Toetra an misaotra betsaka an !.samy isika havatsa io an ! mankasitraka e
Ny Eja namanao
andrysecabi ( 12/11/2005 15:55)
Tsara fofon\'ain-janaka hatrany ianareo ry Ny Eja sy Toetra
Izaho anefa ity ontsa sy konka sahady noho ny fiainako feno setra
Torano oroka tsara ny kilonga hidoroboka fa tsy varatra
Hafatrafatr\'i Andrimaranitra izay ao amin\'ny Faribolana Sandratra
ari.malala ( 25/01/2006 06:58)
Ny Eja, tsara be ilay tononkalo :) tena mendrika ny ankizy mianatra tsara tokoa ho fampaherezana :) mirary soa ho an'i Ravaka ho tafita @ avo indrindra e :)
nyeja ( 26/01/2006 13:36)
misaotra an'andriamaranitra avy ao amin'ny rahavavy sandratra aloha nanome hevitra e dia mankasitraka koa an'i ari.malala an .
ny eja
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144