Ny antom-pisiako (ny eja)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny antom-pisiako


Raha toa nisy ianao
Dia izay no antom-pisiako
Ny soritr'endrikao
Ny bikanao tontolo
Dia tsapako fa tiako
Ny teny nomenao
Hantreny ambony fiara
Narahiko finoana
S'ilay tsiambarambara
Izay nifamatorantsika
Toa sarotra hadinoina

Matoa ianao nisy
Ka nitantana ny diako
Dia fantaro mihitsy
R'ilay olo-tiako
Tsy maintsy itodiako
Ny tananao tsaroako
Namihina ny tanako
Iainako isan'ora
Fa vahatra ifaharako
Ny fotoana rehetra
Izay nahalalako anao
Namaritra maraina
Nitondra fifaliana
Sy hery aina vaovao
Mampifandringotr'aina.

Ny Eja 2005 (nalaina tao @boky " Rêve inédit")
--------
Rohy:
12559 1
Hevitra mandeha
sitrakaanja ( 11/08/2015 10:00)
Tena mahafinaritra tompoko o
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0113