"tiavo ilay vehivavy " (ny eja)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha ny fitiavana itiavako
Anao irery ange rahavako
No mambabo saina, fo
Babon'ny fitiavana aho
Eny andevony tokoa!

Raha ny fitiavana itiavako
Anao irery ange rahavako
No mahefa izay irina
Ho an'ilay olo tiana,
Dia ny kintana any an-danitra
Arindrako hahafinaritra
Hanoratra ny anaranao.

Raha ny fitiavana itiavako
anao irery ange rahavako
no mahavita miampita
ranobe mangeniheny,
sambofiara no arafitro
hanjakanao samirery .

Dia tiavo ilay vehivavy
tsy tia misehoseho
ataovy toa ilay vehivavy
efa fantatrao rahateo.

Dia tiavo ilay vehivavy
tsy misy zavatra antenaina,
ataovy toa ilay vehivavy
tsy misy lova andrandraina .

Dia tiavo ilay vehivavy
olon-tsotra tsy mirenty
ataovy toa ilay vehivavy
tsy malaza tsy poety!.

Ny Eja,
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
4973 4
Mpakafy: Arimalala - rapisoukely - nyeja - rina5
Hevitra mandeha
totty ( 21/06/2005 12:15)
Azo tsapaina amin ny tanana mihitsy ny tian ny mpanoratra ho lazaina,eny na dia ataoko hoe soratra aza no hitako ,tahaka ireny misy olona mimbitsika ireny ery ilay tononkalo.Dia mazotoa hatrany e
rapisoukely ( 22/06/2005 18:36)
Mahatsiaro ho tena voababony tanteraka aho mamaky ilay tononkalo.
Malalason ( 23/06/2005 09:31)
mahafinaritra sady @izao fotoana izao efa betsaka no tsy mifanaja ny mpifankatia ka ho imprime-ko tsisy atakandro hobitsihiko mangina @izay rehetra miserana sy mandalo eto amiko hoe : "Tiavo ny vehivavy" ary hajao ihany koa ny zo-ny ry lehilahy mpampirafy sy mpamono vady.
mirary fahombiazana hatrany
Malalason !
nyeja ( 23/06/2005 10:32)
mankasitraka an'i rapisoukely aho mankafy ity tononkalo ity dia misaotra be dia be ilay namako totty , tsy adinoko ilay namako malalason hmmm, aza mampihomehy ialahy moa ry malalason a !
rina5 ( 25/02/2008 08:18)
Tsotra, mahafehy zavatra betsaka , anjakan'ny fitiavana tanteraka, vehivavy sarobidy loatra.Azoko fantarina hoe hatraiza marina ny sambofiara no mivarina ? tsia ? tsiky kely miampy topimaso kely monja.
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0145