tonga ianao kanefa (Parani)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ho setrin'ny tonkalon'i RADO hoe:HAFATRA"

Tonga ianao kanefa:
Nahona no tsy izy no tonga nandondona?
Nahoana no tsy izy no hilaza sy hifona?
Fa ianao no nalefany hilaza sy hanmbara
Hamantatra,hanontany ny fandehan'ny tantara

Tonga ianao kanefa:
Nahoana no tsy izy no hiteny ny ao an-tsainy?
Fa olon-kafa no hirahany hitady izay ilainy
Ary nahoana no tsy izy no hijery ny hasambarako?
Faianao no hitsikilo ny tohin'ny tantarako

Tonga ianao kanefa:
Ambarao azy izay rehetra nolazaiko
Fa izy hiresaka amiko no hampilamina ny saiko
Fa izay rehetra hitanao;hadinoy sy fafao
Fa aoka izy no hijery,teneno ka hirao

Parani
29.05.05
--------
Rohy:
2407 1
Mpakafy: nyavo2016
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Parani
Nampiditra : ombre
Daty : 08/12/2006 14:37
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0133