Ampy ahy (Randja)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ampy ahy ny fitiavanao tsy miangatra
tsy misy raorao sy fitaka
izay mahatonga ahy haka taranaka
tsy hivezivezy aho tsy hirenireny fa hifikitra

Ampy ahy ilay fitiavanao omaly
izay mihazona ahy ho eto rahateo
ahafahako mandinika sy maminany
ny ampitso sy ny ho avy eo

Ireo zava-bitanao tamiko fahiny
sy ny ankehitriny no porofo manambara
ahafahako milaza ampy ahy izy iny
toa zary manantena ny tohin'ny tantara

Ampy ahy ny fisianao mivantana
handravaka sy hanaingo ny fiainako
hampahery ahy sy hitantana
ity 'zaho efa feno anao hatramin'ny fisainako
--------
Lien:
Catégorie : Aingam-panahy - Fitiavana
578 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0348