Anjarako (Randja)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ianao no hany tokana anjara eto an-tany
handravaka ny tantarako, hanome fitia tsy lany
ianao no hany tokiko sy fara-fanantenana
hitondra hafaliana, mampisy hazavana

Anjarako ianao izay no tsinjoko etoana
raha ny fitiavako anao tsy ho lefy eny foana
toa mahazo vahana ao am-poko ao tsy miato
hentiko am-bavaka amin'ilay Andriamanitra avo

Anjarako ianao izay no ao an-tsaina, handrandraina
ianao no mpanome fitia sy hery ary aina
hamelona ihany koa ity foko torotoro
hampatanjaka ahy, hanolokolo sy hampijoro

Anjarako ianao dia matoky fa aza manahy
efa feno anao hatramin'ny fo sy ny fanahy
tsy hitady olon-kafa ankoatra anao intsony
efa anao aho dia mionona, eny mitony
--------
Lien:
Catégorie : Fiainana - Fitiavana
501 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0116