Asaramanitra (Randja)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Migadona ny asaramanitra
andro iray toa zato
mikorana sy mifety tsy miato
ireto vahoaka finaritra

Arabaina tratrin'ny asaramanitra
hitondra fanambinana ho anao anie ity taona ity
tsy hitrangan-tsampona anie ny dia
homba anao anie Andriamanitra

Asaramanitra no fety miavaka
amin'ny fety rehetra anatin'ny taona
faly sy ravo izahay tafahaona
miara-mifety sy miara-mivavaka

Asaramanitra no fety andrandraina
hihaonan'ny mpianakavy maro be
hiaraha-misotro sy hiaraha-misakafo re
samia salama samia velon'aina
--------
Lien:
Catégorie : Fety - Fiainana
342 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0121