efa zatra anao (Randja)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Efa zatra ny miaina akaikinao aho
dia lasa saina lava izao
tsy ahitana endrika mirana
fa malahelo foana no sady sahirana

Efa zatra ny tambitambinao koa
indrindra rehefa misy mahavoa
indro foana ny hakiviana
rehefa misy anao ry tiana

Efa zatra ny sangisanginao sy ny hanihaninao
toa tsy sahy ny hitady olom-baovao
zakanao ambongadiny avy hatrany
manatena ny fitiavanao tsy ho lany

Efa zatra ny mamikelinao tokoa
toa raiki-pitia aho dia tsy hiova fo
tsy hanadino anao mandrakizay
satria efa nivoady ny ho iray
--------
Lien:
Catégorie : Fiainana - Aingam-panahy - Fitiavana
961 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0119