Gasy iray (Pharaon)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Gasy iray tsy manavaka foko
zana-tany tsy mitsitokotoko
mitandro ny fihavanana hatrany
firaisankina no tanjona amin'izany

Gasy iray no meva sy tsara
izy ihany no mahakarakara
ny taranaka afara-mandimby
manome azy fahalalana tsy voavidy

Gasy iray no soa tarigetra
hampitsahatra ny ady sy ny herisetra
hampandroso ity gasikara
hamolavola sy hanakanto ny tantara

Gasy iray tia fandrosoana
isika izay manam-pinoana
hatambaro ny hery haroso ny dia
hanandratra avo ity nosintsika ity
--------
Lien:
58 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Pharaon
Inséré par : voady
Date : 30/09/2024 13:40
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0147