Hafatra (Randja)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Etsy hafarako kely izato ianaoho an'izay olon-tiako tsy sarako izay
fa malahelo azy mihintsy aho izao
f'efa ela mantsy no tsy nihaonanay
Tsy manadino anao hono ilay tokana
mbola babonao dia tsy ho leo
ilay fitiavanao azy manokana
mahatsiaro anao fa tsidio sy jerijereo
Tsy mahasaraka anao hono ilay mpankafy
efa zatra ny miaina anilanao hatrany
mbola manantena ny hiara-dia
toa fararina lava tsy hialan-tomany
Mbola ho avy hono ilay fotoana
hamerenany aminao mivantana
ireo teny maminao ireny foana
hanolorany aminao indray ny fitiavana
--------
Lien:
