Ho avy (Randja)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mbola ho avy ny maraina soa
hitondra hery sy hazavana
hamalifaly anao tokoa
hampiseho sy hampisy fahagagana

Ho avy ny andro andrandraina
hanaovantsika ny voady sy ny dina
fa hoe hiara-dia sy hiara-miaina
izaho sy ianao, isika izao ry tiana

Ho avy ny soa, ho tonga ny fanambinana
amin'izay atao sy ny kinasanao
ho tonga anie ny fitahiana
amin'izao ora iainantsika izao

Ho avy ny andron'ny firavoravoana
hiara-paly sy hiara-kilalao
ao anatin'izany lanonana
izaho sy ianao, isika izao
--------
Lien:
Catégorie : Fiaraha-monina - Fiainana
470 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Randja
Inséré par : voady
Date : 13/10/2025 05:29
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0123